Ny fanomezana nomeny hanavotana ny olona no maneho ny tombam-bidy napetrak’Andriamanitra eo ambony asan’ny tanany sy ny fitiavany ireo zanany, lavo ao ambany fanapahan’i Satana. Nampiditra ny fahotana tamin’izao tontolo izao izy, ary ny fahafatesana vokatry ny ota. Dia nomen’Andriamanitra ny Zananilahy tokana hamonjena ny olona. Nataony izany mba ho marina Izy, raha manamarina ireo rehetra manaiky an’i Kristy. Nivaro-tena tamin’i Satana ny olombelona, fa i Jesôsy kosa nanavotra azy. HAT 52.4
Tsy tompon'ny tenanao ianao. Nividy anao tamin’ny rany i Jesôsy. Aza alevina ao anaty tany ny talentanao. Ampiasao ho Azy ireny. Na inona asa ataonao, dia ampidiro ao i Jesôsy. Raha hitanao fa very ny fitiavanao ny Mpamonjy, dia ialao ny asanao, dia milazà hoe: «Inty aho, ry Mpamonjy, inona no tianao hataoko?» Handray anao amim-pitiavana Izy ary ho tia anao tsy misy tambiny. Havelany tokoa ianao; fa mamindra fo sy miantra Izy, mba tsy hisy ho very na dia iray aza (...) HAT 53.1
An’Andriamanitra isika, sy izay antsika rehetra. Tsy tokony hoheverintsika hahafaty antoka antsika ny hanolotra ho Azy ny fanirian’ny fontsika. Aoka hatolotra Azy toy ny fanatitra an-tsitrapo ny fontsika. — YI, 8 Nôv. 1900. HAT 53.2