Andeha hatao boky fianarana ny teny masin’Andriamanitra, mampiditra ireo foto-kevitra masina ao amin’ny fiainantsika. Aoka handeha eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fankatoavana sy ny fanentren-tena, manitsy isan’andro ny fahadisoantsika. Andeha tsy hampiala ny fanahintsika amin’Andriamanitra amin’ny avona feno fitiavan-tena. Aoka tsy hikolokolo fiheverana ho ambony ka ho tsara noho ny hafa. «Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo». Ho tonga ao aminao ny fiadanana sy ny fitsaharana rehefa ampileferinao amin’ny sitrapon’i Kristy ny sitraponao. Hanjaka ao am-po ny fitiavan’i Kristy, hitondra ireo hery manosika ny asa hobaboin’ny Tompo. Halefahina sy ho resin’ny diloilon’ny fahasoavan’i Kristy ny toetra mora mitroatra. Hitondra fiadanana mihoatra noho ny fahalalana rehetra ny fahatsapana fa voavela heloka. Hisy ezaka mafana handresena izay mifanohitra rehetra amin’ny fahatanterahana kristianina. Ho foana ny fifanoherana. Izay nahita ny fahotan’ireo manodidina azy, dia hahita fa misy fahotana lehibe lavitra ao amin’ny toetrany. HAT 55.4
Misy ireo izay mandre ny fahamarinana ary resy lahatra fa niaina nifanohitra tamin’i Kristy. Voaheloka izy ireo, ary dia mibebaka amin’ny fahotany. Mitoky amin’ny fahamarinan’i Kristy izy, maneho finoana marina Azy, ary dia mahazo famelan-keloka. Ary satria mitsahatra tsy manao ratsy izy sy mianatra manao ny tsara, dia mitombo amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’Andriamanitra. Mahita izy fa tokony hahafoy tena hisaraka amin’izao tontolo izao, ary, rehefa manombana ny vidiny izy dia mahita fa taim-boraka avokoa ny zavatra rehetra rehefa mahazo an’i Kristy. Nirotsaka ao amin’ny tafik’i Kristy izy. Eo anoloany ny ady, nefa dia amim-pahasahiana sy fifaliana no idirany, mitolona amin’ny fironana anaty sy ny filana feno fitiavan-tena, mitondra ny sitrapony hofehezin’ny sitrapon’i Kristy. Isan’andro no ikatsahany ny fahasoavan’ny Tompo hankatoavany Azy, fenoina hery sy mahazo fanampiana izy. Izany no fiovam-po marina. Amin’ny fiankinan-doha feno fanetren-tena sy fankasitrahana, no itokian’izay nandray fo vaovao amin’ny fanampian’i Kristy. Miseho eo amin’ny fiainany ny vokatry ny fahamarinana. Ny tenany no tiany taloha. Ny fahafinaretan’izao tontolo izao no fifaliany. Ankehitriny dia niongana ny sampiny, ary dia Andriamanitra no manjaka. Ny ota izay tiany taloha dia ankahalainy izao. Matotra sy tapa-kevitra izy izao manaraka ny lalan’ny fahamasinana. — YI, 26 Sept. 1901. HAT 56.1