Go to full page →

Toko 18 — Torohevitra ho an’ny Zanakavavy Nandeferana HAT 57

Mampatahotra ny voarakitra momba anao tamin’ny taona lasa, voatahiry eo imason’ny Mpanjakan’ny lanitra sy ireo anjely alin-kisa madio sy tsy nanota. Angamba nanenina tamin’ny olona mety maty ny eritreritra sy ny asanao, ireo fihetseham-ponao feno hakiviana sy tsy masina; tadidio fa, izay bitika indrindra tamin’ny asa nataonao dia mivelatra eo imason’Andriamanitra. Rakitra feno pentina ny momba anao any an-danitra. Voasoratra any avokoa ny ota nataonao. HAT 57.2

Mijanona eo aminao ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra, ianao anefa toa tsy mihetsi-po akory, tsy fantatrao ny fahavoazanao sy ny fahaverezanao. Indraindray nanenina ianao; fa tsy ela dia niseho ny toetranao feno avona sy tsy miankin-doha, nampangininao ny feon’ny fieritreretanao. HAT 57.3

Tsy sambatra ianao; nefa dia mbola misaina fa raha tsy fehezina ny tianao hatao dia hahita fahasambarana ianao. Mampalahelo ianao anaka! Toy izay nisy an’i Eva tany Edena no misy anao. Nisaina izy fa hahazo toerana ambony raha mba omena hihinana ny voan’ny hazo izay nandraran’Andriamanitra azy na dia ny hikasika aza, fandrao ho faty izy. Nihinana izy dia veriny ny voninahitr’i Edena rehetra. HAT 57.4