Go to full page →

Fiankinan-Dohantsika Tsy Miova HAT 79

Ho lavon’ny fakam-panahy ireo izay tsy mahatakatra ny tokony hiankinantsika tsy tapaka amin’Andriamanitra. Afaka mihevitra fa mijoro tsara ny tongotsika ankehitriny, ary tsy hiova mandrakizay isika. Afaka miteny amin-toky izao isika: «Fantatro izay inoako; tsy misy afaka hampihozongozona ny finoako an'Andriamanitra sy ny teniny.» Fa miomana ny handresy antsika amin’ny alalan’ireo singan-toetrantsika nolovana sy novolena i Satana, ary hanajamba ny masontsika tsy hahita ny fahantrantsika sy ny tsy fahatanterahantsika. Amin’ny alalan’ny fanekentsika ny fahalementsika sy ny fibanjinantsika tsy miova an’i Kristy no handehanantsika amin-toky. — DA, t. 382. HAT 79.3