Maro amin’ireo mikatsaka amin’ny fo ny fahamasinan’ny fo sy ny fahadiovan’ny fiainana no very hevitra sy very fanantenana. Mijery mandrakariva ny tenany izy, ary mitaraina ny amin’ny tsy fananany finoana; ary satria tsy manana finoana izy, dia mihevitra fa tsy afaka mitaky ny fitahian’Andriamanitra. Mandray ny fihetseham-po ho finoana ireny olona ireny. Tsy hitany ny fahatsoran’ny finoana marina, ary dia miantso haizina ho amin’ny fanahiny izy. Tokony hampiala ny fijeriny amin’ny tenany izy, hitoky amin’ny famindrampo sy ny fahatsaran’Andriamanitra, dia hamerina ny teny fikasan’Andriamanitra ary hino tsotra fa hanatanteraka ny teniny Izy HAT 88.1
Tsy tokony hino ny finoantsika isika, fa hino ny teny fikasan’ Andriamanitra. Rehefa mibebaka ny amin’ny fandikantsika ny lalàny tamin’ny lasa isika sady mifidy ny hankatò amin’ny hoavy, dia tokony hino isika fa manaiky antsika ao amin’i Kristy Andriamanitra, ary mamela ny fahotantsika. HAT 88.2
Hanarona ny fanahy indraindray ny haizina sy ny famoizam-po, ary mandrahona ny handifotra antsika; fa tsy tokony hanary toky isika. Tokony hihazona ny fijerintsika eo amin’i Kristy isika, na misy fihetseham-po na tsy misy. Hitady izay hanaovana amim-pahatokiana ny andraikitra tsirairay fantatra isika, dia hitoetra milamina ao amin’ny teny fikasan’Andriamanitra. HAT 88.3