Indraindray dia handefa hovitry ny tahotra amin’ny fanahintsika ny fahatsapana ny tsy fahamendrehantsika; nefa tsy misy porofo fa nanova fijery antsika Andriamanitra, na isika niova tamin’Andriamanitra. Tsy tokony hiezaka akory isika hifehy ny saina hiteraka fihetseham-po. Tsy hahatsapa ny fiadanana sy ny fifaliana tsapa omaly isika anio. Fa amin’ny finoana no tokony hihazonantsika ny tanan’i Kristy, ary hatoky Azy na ao amin’ny haizina toy ny ao amin’ny mazava. HAT 88.4
Mety hibitsika amintsika i Satana: «Mpanota loatra ianao ka tsy azon’i Kristy hovonjena.» Sady hiaiky fa tena mpanota tokoa ianao, tsy mendrika no hiteny amin’ny mpaka fanahy hoe: «Amin’ny herin’ny sorona, dia mandray an’i Kristy ho Mpamonjiko aho, tsy mitoky amin’ny fahamarinako aho, fa amin’ny ran’i Kristy sarobidy, izay manadio ahy. Miafina ao amin’i Kristy ankehitriny ny fanahiko mila vonjy.» Ny fiainana kristianina dia tokony ho fiainan’ny finoana tsy miova, velona. Toky tsy milefitra, fiandaniana matotra amin’i Kristy, no hitondra fiadanana sy antoka ho an’ny fanahy. HAT 89.1