Aoka tsy hisy hihevitra tsy hanao ezaka mafy akory dia hahazo antoka ny fitiavan’Andriamanitra. Rehefa navela naharitra ela hisaina ny zavatry ny tany ny saina, dia raharaha sarotra ny hanova ny fahazarany. Izay hitan’ny maso sy ren’ny sofina dia matetika mitarika ny fifantohana ary mihazona ny fahalianana. HAT 90.2
Nefa raha miditra ny tanànan’Andriamanitra isika, ary mijery an’i Kristy ao amin’ny voninahiny, dia ho zatra ny hibanjina azy amin’ny mason’ny finoana isika etỳ. Hanjary foto-kevitra ho an’ny saina sy resaka ho antsika ny teny sy ny toetr’i Kristy; ary isan’andro dia hisy fotoana hatokana ho amin’ny fandinihana ombam-bavaka ireo foto-kevitra masina. HAT 90.3
Asa atao isan’andro ny fahamasinana. Aoka tsy hisy hamita-tena hino fa hamela heloka Andriamanitra ary hitahy azy kanefa izy hanitsakitsaka iray amin’ireo fitakiany. Mampangina ny feon’ny Fanahy vavolombelona ny fanekena an-tsitrapo ny fahotana iray, ary mampisaraka ny fanahy amin’Andriamanitra. Na manao ahoana ny hasoan’ny fihetseham-po vokarin’ny fivavahana, dia tsy afaka ny hitoetra ao amin’ny fo izay tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra i Jesôsy. Ireo izay manome voninahitra Azy ihany no homen’Andriamanitra voninahitra. HAT 91.1
«Raha manolo-tena ho mpanompo hianareo na ho an’iza na ho an’iza, dia mpanompon’izay arahinareo hianareo.” Raha mandefitra amin’ny hatezerana, filana fitsiriritana, fankahalana, fitiavan-tena, na fahotana hafa isika, dia ho tonga mpanompon’ny fahotana. «Tsy misy afaka manompo tompo roa.» Raha manompo ny ota isika, dia tsy afaka hanompo an’i Kristy. Hahatsapa ny fitaoman’ny ota ny Kristianina, satria ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo, ka dia misy ady tsy vita. Eto no ilana ny fanampian’i Kristy. Mikambana amin’ny herin’Andriamanitra ny fahalemen’ny olombelona, ary dia mihiaka ny finoana, «Isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesôsy Kristy Tompontsika.» HAT 91.2
Raha maniry hanana toetra azon’Andriamanitra ekena isika, dia mila mikolokolo fahazarana tsara ao amin’ny fiainantsika ara-pivavahana. Ilain’ny fitomboana ao amin’ny fahasoavana sy ny fiainam-panahy mihitsy aza ny vavaka isan’andro, toy ny sakafo ho an’ny fahasalaman’ny vatana. Tokony hanazatra tena hampiakatra ny fisainana ho amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka isika. Raha mivily lalana ny saina, dia tokony haverintsika lalana; amin’ny alalan’ny ezaka feno faharetana no hanamoran’ny fahazarana izany. Tsy afaka ny hiala amin’i Kristy na dia fotoana fohy aza isika raha te ho voaaro. Afaka ny hahazo ny fanatrehany amin’ny dingana rehetra hataontsika isika, nefa amin’ny fanarahana ny fepetra napetrany ihany. HAT 91.3