Go to full page →

Ataovy Raharaha ny Fivavahana HAT 92

Aoka ho toy ny raharaha lehibe indrindra ao amin’ny fiainana ny fivavahana. Hampileferina ao ambaniny ny zavatra hafa rehetra. Ny herintsika rehetra, saina, vatana, fanahy dia tokony hirotsaka amin’ny ady kristianina. Tokony hangataka ao amin’i Kristy ny hery sy ny fahasoavana isika, ary dia ho azontsika ny fandresena, azo antoka toy ny nahafatesan’i Kristy ho antsika (...) HAT 92.1

Tokony hanatona ny hazo fijalian’i Kristy isika. Ny fibebahana eo am-pototry ny hazo fijaliana no lesona voalohany hitondra fiadanana tokony hianarantsika. Ny fitiavan’i Kristy — iza no hahatakatra izany? Malemy fanahy lavitra sy feno fahafoizan-tena mihoatra noho ny fitiavan’ny reny! Raha fantatsika ny tombam-bidin’ny fanahy iray dia hijery ny hazo fijaliana amin’ny finoana velona isika, ary hanomboka handinika izay ho antom-pianarana sy hiran’ny voaavotra mandritra ny mandrakizay. Ny halehiben’ny onitra naloa ho fanavotana antsika no ahafahana maminavina ny tombam-bidin’ny fotoana sy ny talenta nomena antsika. Koa tsy fahaiza-mankasitraka manao ahoana moa no asehontsika an’Andriamanitra rehefa mandroba Azy isika, tsy manolotra Azy ny fitiavantsika sy ny asa fanompoantsika! Mafy loatra ve ny manolotra ny tenantsika ho Azy Izay nahafoy ny zavatra rehetra ho antsika? HAT 92.2

Hifidy ny fisakaizana amin’izao tontolo izao ve isika manoloana ny voninahitra tsy mety maty atolotr’i Kristy, «hiara-mipetraka amiko eo ambonin ‘ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany». HAT 92.3