Go to full page →

Fampileferana ny Tena HAT 100

Tsy eken’ny Mpanavotra ny fanompoana mizarazara. Isan’andro ny mpiasa ho an’Andriamanitra dia tsy maintsy mianatra ny dikan’ny fampileferana ny tena. Tsy maintsy mianatra ny tenin’Andriamanitra, mianatra ny dikany sy mankatò ny fitsipiny. Amin’izany no mety hahatrarany ny fenitry ny tsara indrindra eo amin’ny fiainana kristianina. HAT 100.3

Miasa miaraka aminy isan’andro isan’andro Andriamanitra, manatanteraka ny toetra ho tafajoro amin’ny fotoana fitsapana farany. Ary isan’andro isan’andro ny mpino dia hanao izay hahatsapan’ny olona sy ireo anjely ny fanandramana fara tampony, maneho izay azon’ny filazantsara atao ho an’ny taranak’olombelona lavo. -GW,t. 113. HAT 101.1