Go to full page →

Toko 33 — Ny Fitoviana amin’Izao Tontolo Izao HAT 101

Ireo izay mandeha amin’ny lalan tery dia miresaka ny amin’ny fifaliana sy fahasambarana izay ho azon’izy ireo amin’ny fiafaran’ny diany. Matetika no manjombona ny tavany kanefa mbola mitaratra ny fifaliana masina. Tsy mitafy tahaka ny antokon’olona eny amin’ny lalana malalaka izy ireo, na miresaka tahaka azy ireo, na manao zavatra tahaka azy ireo. Ohatra alain-tahaka no nomena azy ireo. Ilay lehilahy ory sy zatra fahoriana no nanokatra lalana ho azy ireo, ary ny tenany no nandeha tamin’izany. Mahita ny dian-tongony ireo mpanara-dia azy ary mahazo hery sy miramirana. Nandeha tamin’izany tsy naninona izy, koa ho afaka ihany koa izy ireo, raha manaraka ny dian-tongony. HAT 101.2