Eo amin’ny lalana malalaka dia sahirana amin’ny tenany sy ny fitafiany ary ny fahafinaretany eny an-dalana ny rehetra. Manaram-po amin’ny fihomehezana sy ny korana izy ireo, ary tsy mihevitra akory izay ho fiafaran’ny dian’izy ireo, ny fandravana azo antoka any amin’ny fiafaran’ny lalana. Manakaiky kokoa isan’andro ny fandravana azy izy ireo, kanefa dia mandeha haingana toy ny adala ary mihahaingana hatrany. Indrisy tena nampihoron-koditra ahy izany! HAT 101.3
Nahita mpandeha maro amin’io lalana malalaka io aho izay nisy soratra teo aminy manao hoe: “Maty amin’izao tontolo izao. Antomotra ny faran’ny zavatra rehetra. Aoka ho vonona ihany koa ianao”. Tahaka ny tsinontsinona avokoa ny manodidina azy rehetra, afa-tsy aloky ny alahelo izay voamariko teo amin’ny tavany. Ny resak’izy ireo dia tahaka ny an’ireo izay mihanihany, tsy amim-piheverana manodidina azy ireo, kanefa indraindray dia manondro amin’ny fahafaham-po lehibe ireo soratra eo amin’ny fitafiany, miantso ny hafa mba hanana ny mitovy amin’izany eo amin’izy ireo. Eo amin’ny lalana malalaka izy ireo, kanefa milaza ho anisan’ireo izay mandeha amin’ny lalan-tery. Ireo izay manodidina dia hiteny hoe: “Toa tsy misy maha-samy hafa antsika. Mitovy avokoa isika; mitovy ny fitafintsika sy ny fitenintsika ary ny zavatra ataontsika.” (...) HAT 102.1
Naseho ahy ny fitovian’ireo sasany milaza ho mpitandrina ny Sabata amin’izao tontolo izao. Indrisy, hitako fa fanalana baraka ny fanekem-pinoany izany, fanalana baraka ny asan’Andriamanitra. Miampanga ny fanekem-pinoany izy ireo. Mihevitra izy ireo fa tsy tahaka izao tontolo izao, kanefa toa tahaka azy amin’ny fitafy, ny resaka, ny asa ka tsy misy mampiavaka azy. Hitako izy ireo mandravaka ny tenany mahantra mety maty, izay azon’ny rantsan-tanan’Andriamanitra kasihina amin’ny fotoana rehetra, ary matory eo ambonin’ny fandrian’ny tebiteby. Indrisy, raha manatona ny fiovany farany izy, ireo tebiteby mamono no mameno ny endriny, ary ny fanontaniana lehibe dia ny hoe: “Vonona ny ho faty ve aho? Vonona ny hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra, ary handalo eo daholo ny zavatra rehetra natao?» HAT 102.2
Anontanio azy ireo izay zavatra tsapany rehefa mandravaka ny tenany izy ireo, ary raha manana fahatsapana, izany hoe miomana ny hiseho eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo, ary ho nilaza aminao izy ireo fa raha afaka miverina any aoriana ary miaina indray ny lasa, dia ho nanitsy ny fiainany izy ireo, hanaisotra ny hadalan’izao tontolo izao, ny maha-tsinontsinona izany, ny fireharehany, ary ho nandravaka ny tenany amin’ny fahamaotinana, ary nanome ohatra ho an’ireo olona manodidina azy. Dia ho niaina ho voninahitr’ Andriamanitra izy ireo. HAT 102.3
Nahoana no tena sarotra ny miaina fiainana feno fandavan-tena sy fanetren-tena? Satria tsy maty amin’izao tontolo izao ireo izay milaza azy ho Kristianina. Mora ny miaina aorian’ny fahafatesantsika. Kanefa maro no mbola manina ny tongolo maitso sy tongoloben’i Egipta. Manana fironana izy ireo ny hitafy sy hanao zavatra tahaka izao tontolo izao araka izay azony atao, ary dia mbola handeha any an-danitra. Ny sasany mitady lalan-kafa. Tsy mandeha amin’ny vavahady tery sy lalan-tery izy ireo (...) HAT 103.1
Tsy hanana fialan-tsiny izy ireo. Maro no mitafy tahaka izao tontolo izao mba hananany hery miasa mangina. Kanefa eto dia manao fahadisoana mampalahelo sy mahafaty izy ireo. Raha tian’izy ireo ny hanana hery miasa mangina marina sy mahavonjy, aoka izy ireo hiaina izay lazain’ny vavany, haneho ny finoany amin’ny alalan’ny asa marina ary manisy fahasamihafana lehibe eo amin’ny Kristianina sy izao tontolo izao. Hitako fa ny fiteny sy ny fitafiana ary ny asa dia tokony hiteny ho an’Andriamanitra. Izay vao hisy hery miasa mangina masina hipariaka eo amin’ny rehetra, ary ny rehetra dia hahafantatra fa niaraka tamin’i Jesôsy izy ireo. Hahita ireo tsy mpino fa ny fahamarinana izay lazaintsika dia manana hery miasa mangina masina, ary izany finoana ny fiavian’i Kristy izany dia misy fiantraikany eo amin’ny toetry ny lehilahy sy ny vehivavy. Raha misy maniry ny hery miasa mangina avy aminy, milaza ny fiandaniany amin’ny fahamarinany, aoka izy ireo hiaina izany, ary amin’izany dia hanahaka ilay Ohatra tso-piaina. HAT 103.2