Nitafy ny maha-olombelona i Kristy, mba ho ny sandriny amin’ny maha-olombelona azy no hamihinan’ny taranak’olombelona, raha toa ka ny sandriny amin’ny maha-Andriamanitra Azy no hamikirany ny seza fiandrianan’Ilay Tsy manam-petra. No fihininy teo afovoany, anelanelan’ny lanitra sy ny tany ny hazo fijaliany, ary nanao hoe: “Izaho raha hasandratra hiala amin ‘ny tany dia hitaona ny olona rehetra hanatona ahy. ” Natao ho ivon’ny fanintonana ny hazo fijaliana. Natao hiteny amin’ireo olona rehetra izany, ary hisarika azy ireo hiala amin’ny hantsana nataon’ny fahotana, hampiray ny olona voafetra amin’Andriamanitra tsy voafetra. Ny herin’ny hazo fijaliana irery ihany no afaka hampisaraka ny olona amin’ny fangejana matanjaky ny fahotana. Nanolotra ny tenany i Kristy ho famonjena ny mpanota. Ireo izay voavela ny fahotany, izay tia an’i Jesôsy dia ho tafaray aminy. Hitondra ny ziogan’i Kristy izy ireo. Tsy natao hanelingelina azy izany zioga izany, tsy natao hahatonga ny fiainany ara-pivavahana ho toy ny asa mafy maharitra tsy ahitana fahafaham-po. Tsia, io ziogan’i Kristy io dia tena natao ho fitaovana izay hahatonga ny fiainana kristianina ho anisan’ny fahafinaretana sy fifaliana. Natao ho feno fifaliana ny Kristianina amin’ny fibanjinana izay nataon’ny Tompo tamin’ny nanomezana ny Zanany lahitokana ho faty ho an’izao tontolo izao, “Mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay. ” HAT 113.2