Go to full page →

Toko 36 — Fanandramana Velona HAT 112

Notafin’ny Tompon’ny aina sy ny voninahitra tamin’ny maha-olombelona ny maha-Andriamanitra Azy, mba hanehoana amin’ny olona fa hampifandray antsika Aminy amin’ny alalan’ny fanomezana an’i Kristy Andriamanitra. Raha tsy misy fifandraisana amin’Andriamanitra dia tsy misy na dia iray aza afaka ny ho sambatra. Natao hianatra ny olombelona lavo fa tsy afaka ny ho afa-po ny Raintsika any an-danitra raha tsy mandrakotra, ny mpanota mibebaka, novaina tamin’ny alalan’ny fahamendrehan’ny Zanak’ondry tsy misy kilema, ny Fidavany. HAT 112.3

Ho amin’izany tanjona izany ny asan’ireo mpitsikilon’ny lanitra. Eo ambany fibaikoan’ny jeneralin’izy ireo dia natao hiasa hitady ireo very, dia ireo izay nahatafasaraka ny tenany tamin’ny Rainy any an-danitra noho ny fandikan-dalàna izy ireo. Drafitra iray no novolavolaina mba hitoetra ho hitan’izao tontolo izao ny fahasoavana mahagaga sy ny fitiavan’i Kristy. Tao amin’ny vidiny tsy manam-petra naloan’ny Zanak’Andriamanitra ho onitra hanavotana ny olona no nisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra. Ampy hamonjena izao tontolo izao manontolo io drafi-panavotana be voninahitra io. Azo atao ho tanteraka ao amin’i Jesôsy Kristy ireo olona feno fahotana sy lavo, amin’ny alalan’ny famelana ny fahotany sy ny fanisana ny fahamarinan’i Kristy ho azy ireo. HAT 113.1