Go to full page →

Tsy Fihetseham-Po ny Fivavahana HAT 118

Tsy fihetseham-po ny fivavahana madio sy tsy voaloto, fa fanaovana ireo asam-pamindrampo sy fitiavana. Ilaina amin’ny fahasalamana sy fahasambarana izany fivavahana izany. Miditra ao amin’ny tempoly izany fanahy voaloto izany ary amin’ny karavasy no androahany ireo mpiditra an-keriny feno fahotana. HAT 118.1

Mandray ny seza fiandrianana, manamasina ny zavatra rehetra amin’ny alalan’ny fanatrehany, manazava ny fo amin’ny taratry ny Masoandron’ny Fahamarinana. Manokatra ireo varavarankelin’ny fanahy hitodika any an-danitra, hamela ny taramasoandron’ny fitiavan’Andriamanitra. Miaraka aminy ny fahatoniana sy ny filaminana. Mitombo ny hery ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy, satria ny rivo-piainan’ny lanitra, ho toy ny solontena velona sy mavitrika no mameno ny fanahy. Miorina ao anaty i Kristy, fanantenan’ny voninahitra. - RH, 15 Okt. 1901. HAT 118.2