Go to full page →

Toko 39 — Hafanam-Po Matotra amin’ny Fikasana HAT 122

Rehefa nahazo fanabeazana tao amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babilôna ireo tanora hebreo efatra, dia tsy noheverin’izy ireo fa ny fitahian’ny Tompo dia natao hanoloana ireo fiezahana takina amin’izy ireo. Narisika sady nitandrina tsara izy ireo tamin’ny fianarana, satria fantatr’izy ireo mazava fa, amin’ny alalan’ny fahasoavan’Andriamanitra, ny ho anjaran’izy ireo dia miankina amin’ny sitrapon’ny tenany sy ny asa ataony. Tsy maintsy mitondra ireo fahafaha-manao rehetra ananany eo amin’ny asa izy ireo; ary amin’ny alalan’ny fitakiana akaiky sy hentitra ny herin’izy ireo no tokony hampiasan’izy ireo ny ankamaroan’ireo toe-javatra azo hararaotina hianarana sy hiasana. HAT 122.2