Ny fiainana kristianina dia tsy fanamboarana na fanatsarana ny taloha, fa fanovana ny toetra. Tsy maintsy misy fahafatesana amin’ny tena sy ny ota miaraka amin’ny fiainam-baovao. Amin’ny alalan’ny fiasa maherin’ny Fanahy Masina irery ihany no hahafahana mitondra izany fiovana izany. HAT 133.1
Raha mbola sahiran-tsaina i Nikôdemôsy dia nampiasa ny rivotra i Jesôsy mba hanehoana an-tsary izay tiany holazaina: “Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany, na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.” HAT 133.2
Re eo anivon’ny sampan-kazo ny rivotra mampikasaotsaoka ny ravina sy ny voninkazo; kanefa dia tsy hita maso izy, ary tsy misy olona mahalala hoe avy aiza izy ary handeha ho aiza. Dia toy izany ny fiasan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fo. Tsy azo hazavaina misimisy kokoa tahaka ny tsy ahafahana manazava ny fihetsiky ny rivotra. Mety ho tsy afaka hilaza mazava tsara ny fotoana sy ny toerana ny olona anankiray, na hanoritsoritra ireo toe-javatra rehetra tamin’ny dingan’ny fiovam-po; kanefa tsy manaporofo izany fa tsy niova fo izy. Amin’ny alalan’ny toe-javatra tsy hita maso tahaka ny rivotra, no iasan’i Kristy mandrakariva ao am-po. Tsikelikely, angamba tsy hotsaroan’ny mpandray azy, no misy fahatsapana lalina izay misintona ny fanahy hanatona an’i Kristy. Mety ho azo amin’ny alalan’ny fieritreretana lalina ny momba Azy izany, amin’ny alalan’ny famakiana ny Soratra Masina, na amin’ny alalan’ny fandrenesana ny teny avy amin’ny mpitoriteny velona. Raha tonga amin’ny alalan’ny antso mivantana misimisy kokoa ny Fanahy, dia tampotampoka eo mitolo-batana amin’i Jesôsy amim-pahasambarana ny fanahy. Izany no antsoin’ny maro hoe fiovam-po tampoka; kanefa dia vokatry ny fanintonana maharitra nataon’ny Fanahin’Andriamanitra izany, dingana maharitra tamim-paharetana. HAT 133.3
Na dia tsy hita aza ny rivotra, dia misy vokany izay hita sy tsapa. Koa ny asan’ny Fanahy eo amin’ny fanahy dia hiseho ho azy eo amin’ny asa rehetra ataon’izay mahatsapa ny heriny mamonjy. Rehefa maka ny fo ho fananany ny Fanahin’Andriamanitra dia manova ny fiainana izany. Miala ny fisainana feno fahotana, afoy ny asa ratsy; fitiavana sy fanetren-tena ary fiadanana no misolo toerana ny fahatezerana, fialonana, fifandirana. Fifaliana no misolo toerana ny alahelo, mamirapiratry ny fahazavan’ny lanitra ny tava. Tsy misy na dia iray aza mahita ny tanana izay manaisotra ny enta-mavesatra, na mibanjina ny fahazavana midina avy any amin’ny lapa any ambony Tonga ny fitahiana rehefa mitolo-batana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana ny fanahy (...) HAT 134.1
Tsy ho azon’ny saina voafetra hatao ny hahatakatra ny asa fanavotana. Mihoatra ny fahalalan’olombelona izany zava-miafina izany; kanefa ireo izay niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana dia hahatsapa fa tena zava-misy avy amin’Andriamanitra izany. Mety ho fantantsika dieny etỳ amin’ny alalan’ny fanandraman’ny tena manokana ny fanombohan’ny fanavotana. Ny vokany dia mahatratra ny taona mandrakizay. - DA, tt. 172,173. HAT 134.2