Mitoetra ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny finoana velona isika. Mitoetra ao am-pontsika amin’ny alalan’ny finoana ananan’ny tenantsika manokana izy. Tafaraka amin’ny fanatrehan’Andriamanitra isika, ary arakaraka ny hahatsapantsika izany fanatrehana izany no itondrana ny fisainantsika ho babon’i Jesôsy Kristy. Ny fampiasana ara-panahy ataontsika dia mifanaraka amin’ny fahatsapantsika lalina izany fiarahana izany. Tamin’izany fomba izany no niarahan’i Enôka nandeha tamin’Andriamanitra; ary mitoetra ao am-pontsika amin’ny alalan’ny finoana i Kristy rehefa heverintsika ny maha-izy azy ho antsika, sy ny asa ataony ho antsika ao amin’ny drafi-panavotana. Ho sambatra indrindra isika amin’ny fikolokoloana ny fahatsapana io fanomezan-dehiben'Andriamanitra ho an’izao tontolo izao sy ho an’ny tenantsika manokana io. HAT 135.3
Hanana hery mifehy ny toetsika manontolo izany fisainana izany. Tiako ny hanoritra ao an-tsainareo fa azonareo atao ny hanana ny fiarahana amin’Andriamanitra ho anareo mandrakariva raha tianareo. “Ary inona no ikambanan’ny tempolin'Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin ‘Andriamanitra velona, araka ny voalazan’ Andriamanitra hoe: Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko. ” HAT 135.4