Go to full page →

Toko 43 — Ny Fitoeran’i Kristy ao Anaty HAT 135

Raha mamaka sy miorina ao amin’ny finoana isika dia afaka ny “hahay mbamin’ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary haavony sy halaliny; ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana. ” HAT 135.1

Toe-javatra sarobidy sy mampahery mety hiseho! Ao amin’ny fo nodiovina tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena rehetra no itoeran’ny Mpamonjy sarobidy, hahamendrika sy hanamasina ny toetra ary hahatonga ny olona ho tempolin’ny Fanahy Masina (...) HAT 135.2