Go to full page →

Ilay Perila Sarobidy HAT 137

Natao hanolotra ny tenantsika ho an’i Kristy isika, hiaina fiainam-pankatoavana an-tsitra-po amin’ireo zavatra rehetra Takiny. Ny maha-isika antsika manontolo, ny talenta rehetra sy ny fahaiza-manao ananantsika dia an’ny Tompo, voatokana ho amin’ny asa fanompoana Azy. Raha manolotra ny tenantsika ho azy toy izany isika, i Kristy, miaraka amin’ny haren’ny lanitra rehetra, no hanolotra ny tenany ho antsika. Ho azontsika ilay perila sarobidy. - COL, t. 116. HAT 137.2