Nofoanan’i Jesôsy ny tenany, ary tsy niseho ny “izaho” tamin’ny zavatra rehetra nataony. Napetrany teo ambany sitrapon’ny Rainy ny zavatra rehetra. Ary rehefa madiva hifarana ny iraka nampanaovina azy teto an-tany, dia afaka niteny izy nanao hoe: «Izaho efa nankalaza Anao tety ambonin'ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.” Ary mandidy antsika izy manao hoe: «Mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho.» «Raha misy olona ta-hanaraka Ahy aoka izy handà ny tenany.” Aoka hoesorina amin’ny fiandrianany ny tena; ary tsy hihazona intsony ny fahamboniana amin’ny fanahy. HAT 138.1
Izay mibanjina an’i Kristy ao amin’ny Fandavan-tenany, tsy miavona am-po dia ho voatery hiteny, tahaka an’i Daniela rehefa mbanjina ilay Anankiray tahaka ny zanak’olona, «Nihasimba nivaloarika ny tarehiko.” (...) Ny toetra maha-olombelona dia miezaka mandrakariva ny hisehoseho, vonona ny hanohitra; kanefa izay nianatra ny hanafoana ny tenany tamin’i Kristy dia nanafoana ny tenany, ny avonavony, ny fitiavana fahamboniana, ary misy fahanginana ao amin’ny fanahy. Milefitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina ny tena. Koa amin’izany dia tsy ho sahiran-tsaina amin’izay hanana ny toerana ambony indrindra isika. Tsy manana fanirian-daza ny hisehoseho sy ho hitan’ny olona; fa ho tsapantsika fa ny toerana ambony indrindra ho antsika dia ny ho eo an-tongotry ny Mpamonjintsika. Mijery an’i Jesôsy isika, miandry ny Tanany hitarika antsika, mihaino ny feony hanoro lalana. Nanana izany fanandramana izany ny Apôstôly Paoly ka nanao hoe: «Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny zanak'Andriamanitra, izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.» -TFMB, tt. 30,31. HAT 138.2