Go to full page →

Fizarana Fahadimy - Fiomanana Ho Amin’ny Asa Eo Amin’ny Fiainana HAT 143

Mihoatra noho ny fanaovana andian-taranjam-pampianarana iray ny tena fanabeazana marina. Mivelatra izany. Ary tafiditra ao anatiny ny fivelarana mirindra eo amin’ny hery ara-batana rehetra sy ny fahalalana ara-tsaina, mampianatra ny fitiavana sy ny fahatahorana an’Andriamanitra, ary fiomanana amin’ny fanatanterahana amim-pahatokiana ireo adidy eo amin’ny fiainana. - CTPS, t. 64. HAT 143.1

Ny tena fanabeazana marina dia fanomanana ireo hery ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pitondran-tena ho amin’ny fanatanterahana ireo adidy rehetra; Izany dia fanofanana ny vatana sy ny saina ary ny fanahy ho amin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra. Izany no fanabeazana izay haharitra hatrany amin’ny fiainana mandrakizay. - COL, t. 330. HAT 143.2