Go to full page →

Manao izay Antenain’ny Ray aman-dReny HAT 150

Tsara indrindra sy azo antoka mandrakariva ny manao mahitsy satria mahitsy izany. Tsy tianao va ankehitriny ny hisaintsaina lalina? Ny fisaintsainana mahitsy no fototry ny asa araka ny tokony ho izy. Aoka hovononinao ny sainao mba hamalianao araka izay andrasan’ny ray aman-dreninao aminao, ka hanao ezaka amim-pahatokiana ianao mba ho tsara indrindra, ka ho hitanao amin’izany fa ny vola nolanina ho anao dia tsy lanilany foana na nampiasaina amin’ny zavatra tsy mety. Manana fikasana hentitra ny hiara-miasa amin’ny ezaka ataon’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra, ary tratraro ny fenitra avo amin’ny fahalalana sy ny toetra. Sahia ny hanao ny marina, ary i Jesôsy hanampy anao hanao ny marina, raha mikatsaka ny hanao izany ianao satria izany no marina. - FCE, t. 248. HAT 150.2