Go to full page →

Toko 56 — Ny Tena Fahendrena Marina HAT 163

Mety hahazo ny fanabeazan’ny tany ambony indrindra ny tanora lahy sy vavy, kanefa dia mety tsy hahalala na inona na inona mikasika ireo fitsipika fototra voalohany izay hahatonga azy ireo ho vahoaky ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy afaka hanomana na iza na iza ho amin’ny fanjakan’ny lanitra ny fianarana avy amin’olombelona. Ny vahoaky ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy vita amin’ny alalan’ny endrika ivelany sy ny fombafomba fanao, na amin’ny fianarana lavitra ezaka ireo boky. «Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” HAT 163.2