Go to full page →

Manao izay Ahazoana ny Tsara Indrindra eo amin’ny Fiainana HAT 168

Raha toa ka tombontsoa lehibe ny fanabeazana tsara raha ampiarahina amin’ny fanoloran-tenan’izay manana azy, dia tsy mbola tokony hihevitra ireo izay tsy nanana tombontsoa tamin’ny fandrantoana fahalalana avo fa tsy afaka ny handroso eo amin’ny fiainana ara-tsaina sy ara-panahy izy. Raha ampiasainy amin’ny fara tampony ny fahalalana ananany, raha mikatsaka ny hanangon-javatra ao amin’ny trano fitehirizany isan’andro izy, ary handresy ireo faharatsian-toetra rehetra amin’ny alalan’ny fikolokoloana amim-paharetana ny toetra manahaka an’i Kristy, Andriamanitra dia hanokatra ireo fantsom-pahendrena ho azy ireo, ary dia holazaina amin’izy ireo izay nolazaina mikasika ireo zanaky ny Hebreo fahiny manao hoe: nomen’Andriamanitra fahendrena sy fahazavan-tsaina izy ireo. HAT 168.4