Tamin’ny andron’i Kristy, ny Fariseo dia niezaka mandrakariva hahazo ny sitraka amin’Andriamanitra mba hahazoany ny voninahitra sy ny fiadanana amin’izao tontolo izao izay noheveriny ho valisoan’ny fahamarinana. Ary dia naderaderany teo anatrehan’ny olona ny asany mba hitarika ny sain’ireo sy hahazoany dera ho masina. TF 211.1
Nahafantatra izany fihamboany izany i Jesôsy ka nilaza fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahana toy izany, ary ny doka sy ny fideran’ny vahoaka, izay nirin’izy ireo fatratra, no hany valisoa horaisiny. “Fa hianao (...) raha manao fiantrana ”, hoy Izy, “dia aoka tsy bo fantatry ny tànanao ankavia izay ataon’ny tànanao ankavanana, mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.” Mat. 6:3,4. TF 211.2
Ao amin’izany teny izany, Jesôsy dia tsy nampianatra tsy akory fa ny asa fanaovan-tsoa rehetra dia tokony hatao amin’ny mangingina mandrakariva. I Paoly apôstôly, izay notarihin’ny Fanahy Masina, raha nanoratra dia tsy nanafina ny fandavan-tena lehibe nananan’ny Kristianina tany Makedonia, fa nanambara ny amin’ny fahasoavan’i Kristy niasa tao aminy izay nahatonga ny sasany koa ho vonton’ny saina nananan’ireo. Nanoratra ho an’ny fiangonana tao Korinto koa izy ka nanao hoe: “Ny zotom-Ponareo dia mampiriska ny maro ” — 2 Kôr. 9:2. TF 211.3
Ny tenin’i Kristy dia mampiharihary izay tiany hambara, fa ny kendrena amin’ny asam-piantrana dia tsy ny hahazo dera amam-boninahitra amin’olona. Ny tena fanaovan-tsoa dia tsy mampiriska na oviana na oviana ny fiezahana hahazo dera. Ireo izay maniry handre teny fiderana sy fandokafana, ka mankamamy ireny, dia Kristianina anarany fotsiny. TF 212.1
Ny asa tsara ataon’ny mpanaraka an’i Kristy dia ho voninahitra, tsy ho azy ireo, fa ho an’Ilay nanome ny fahasoavany sy ny heriny izay nahazoany niasa. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no ahatanterahana ny asa tsara rehetra, ary ny Fanahy dia nomena mba hanome voninahitra, tsy ny mpandray azy, fa ny Mpanome. Raha mamirapiratra ao am-po ny fahazavan’i Kristy, dia ho feno fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra ny molotra. Ny fivavahanao, ny fanaovanao ny adidinao, ny fahalalahanao tanana, ny fandavan-tenanao, dia aoka tsy ho fototry ny fiheverana sy ny firesakao. I Jesôsy no aoka hasandratra, ny tenanao kosa aoka hafenina, ary i Kristy no hiseho ho zavatra rehetra amin’ny rehetra. TF 212.2
Amin’ny fo tsotra no tokony hanomezantsika fa tsy ny hampiseho ny asa tsara ataontsika tsy akory, fa noho ny fiantrana sy ny fitiavana ireo azom-pahoriana. Fanaovana amin’ny fo tokoa sy amim-pitiavana izay atao, no misy vidiny eo anatrehan’Andriamanitra. Ny fanahy izay tena tia tokoa sy tena manao amin’ny fony manontolo izay fanompoam- pivavahana ataony, dia heverin’Andriamanitra ho sarobidy lavitra noho ny volamenan’i Ofira (...) Tsy tokony hihevitra ny valisoa isika, fa ny asa fotsiny. — S, tt. 71,72. TF 212.3