Go to full page →

Voarakitra an-tSoratra ny Antony Manosika Hanao Fanatitra TF 213

Naseho tamiko fa ilay anjely mpandray an-tsoratra dia mirakitra amim-pahatokiana ny fanatitra tsirairay atokana ho an’Andriamanitra sy arotsaka ao amin’ny trano firaketany, ary ny vokatra faran’ny vola nomena tahaka izany. Mijery tsara ny farantsa tsirairay atokana ho Azy, sy ny fahavononana na ny fisalasalan’ny mpanolotra izany, ny mason’Andriamanitra. Voarakitra an-tsoratra koa ny antony manosika hanaovana ilay fanatitra. Hovaliana soa araka ny asany ireo izay feno fahafoizan-tena sy fanoloran-tena ka namerina tamin’Andriamanitra ny Azy, araka izay notakiny tamin’izy ireo. - 2T, t. 518, 519. TF 213.1