Go to full page →

Fanatitra Mandringa sy Marary TF 221

Andeha isika hanalavitra ireny faharatsiana sy filibana ary lanonana ataon’ny fiangonana sasany ireny, satria manana hery miasa mangina manimba eo amin’ny tanora sy ny lehibe izy ireny. Tsy manana zo hanipy eny amin’ireny fanao ireny ny akanjom-pahamasinana isika satria hoe hampiasaina ho an’ny tetikasan’ny fiangonana ny vola azo avy aminy. Mandringa sy marary ny fanatitra toy izany, ary iharan’ny ozon’Andriamanitra. Saran’ny fanahy izany. Azon’ny polipitra atao ny miaro ny fanaovana lanonana, dihy, filokana, tsenabe, na fety mihaja, mba hahazoana vola hanatanterahana ny tetikasan’ny fiangonana; kanefa aoka tsy handray anjara amin’ireny fanao ireny, satria hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra isika raha manao izany. Tsy hanoso-kevitra isika ny hanainga ny filàn’ny hatendan- kanina na hidodododo any amin’ny famalifaliana ny nofo mba hanentanana ireo izay milaza azy ho mpanara- dia an’i Kristy mba hanome ampahany amin’ny vola nankinin’Andriamanitra tamin’izy ireo. Rehefa tsy hanolotra an-tsitrapo izy ireo, ho fanehoany ny fitiavany an’i Kristy, dia tsy hoeken’Andriamanitra mihitsy ny fanatiny. TF 221.1