Go to full page →

Toetra Simba TF 221

Misoko mangina eo amin’ny lalan’ny tanora ny fahafatesana, izay toa mitafy ny fitafian’ny lanitra. Eo koa ny fahotana izay saronan’ny fahamasinan’ny fiangonana. Ireo endrika famalifaliana maro samy hafa eo amin’ny fiangonana amin’izao androntsika izao dia nanimba olona an’arivony maro izay mety ho nijoro mahitsy ka lasa mpanara-dia an’i Kristy raha toa ka tsy nisy izany famalifaliana izany. Nosimbain’ireo lanonana mahazatra fanaon’ny fiangonana ireo sy ireo fampisehoana an-dampihazo ny toetran’ny olona, ary mbola hisy olona an’arivony ho simba; kanefa dia mbola tsy ho tonga saina ihany ny olona ny amin’ny loza manandindona na ny amin’ny hery miasa mangina mahatsiravina avy amin’izany. Tanora lahy sy vavy maro no nahavery ny fanahiny vokatr’ireo hery miasa mangina manimba ireo. — RH, 21 Nôv. 1878. TF 221.2