Go to full page →

Ny Lohahevitra Fototry ny Fampianaran’i Kristy TF 26

Ny fanoloran-tena no lohahevitra fototry ny fampianaran’i Kristy. Matetika izy io no takina amin’ny mpino amin’ny fomba fiteny izay toa jadona, satria tsy misy fomba hafa hamonjena ny olona afa-tsy ny fampisarahana azy amin’ny fiainany feno fitiavan-tena. Nanome fanehoana marina ny herin’ny filazantsara i Kristy nandritra ny fiainany teto an-tany (...). Mampanantena Izy fa hahazo anjara amin’ny valim-pitia mandrakizain’ny marina ny fanahy tsirairay izay hiara-mijaly Aminy amin’ny fanoherana ny fahotana, sy eo amin’ny asany, ary eo amin’ny fanoloran-tena hikatsaka izay mahasoa ny hafa. Amin’ny alalan’ny fampiharana ny toe- tsaina izay naneho ny asa nataony nandritra ny androm- piainany no hahalasa antsika ho mpiray amin’ny fombany. Rehefa mandray io fiainam-panoloran-tena hikatsaka izay mahasoa ny hafa io isika, dia hiara-mizara Aminy, any amin’ny fiainana ho avy, ilay “voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ” — 2 Kôr. 4:17. — RH, 28 Sept. 1911. TF 26.2