Go to full page →

Ireo Vokatry ny Fitiavan-Tena TF 27

Ireo izay mamela ny toe-tsain’ny fitiavan-karena hambabo azy, dia mankamamy sy mikolokolo ireo lafin-toetra izay hametraka ny anarany ao amin’ireo boky fitadidian’ny lanitra ho mpanompo sampy. Ny olona rehetra tahaka izany dia sokajiana miaraka amin’ny mpangalatra sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny, izay samy tsy hisy handova ny fanjakan’Andriamanitra, araka izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra. “Ny ratsy fanahy mandoka izay irin'ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an'i Jehovah.” — Sal. 10:3. Mifanohitra mandrakariva amin’ny fampiharana ny fanaovan-tsoan’ny Kristianina ny fieremana. Ny vokatry ny fitiavan-tena dia miseho ho azy mandrakariva amin’ny fanaovana tsirambina ny adidy, sy ny tsy fampiasana ireo fanomezana nankinin’Andriamanitra ho fampandrosoana ny asany. — RH, 1 Des. 1896. TF 27.1