Go to full page →

Ny Fiheverana ny Vola Madinika TF 335

Maniry aho ny hisarika ny sain’ny tsirairay hahalala ny vesatry ny fahotan’ny fandanilaniam-poana ny volan’ny Tompo amin’ny filàna manidintsidina. Ny fandaniana ny vola heverina ho kely sy tsy misy dikany dia mety hiteraka toe-javatra mifampitohy izay hisy fiantraikany amin’ny mandrakizay. Rehefa manomboka ny fitsarana ka hovelarina ny boky, dia haseho eo imasonao indray ireo lafiny tsy nahomby - hiseho ireo zavatra tsara azonao natao tamin’ny fanangonana ireny vola madinika sy ny vola vaventy izay nampiasaina tamin’ny fanaranam-po ny fitiavan-tena ireny. TF 335.1

Tsy dia hoe ny hanao fanatitra mihoapampana loatra akory no takin’Andriamanitra amin’ny olombelona; fa ny hany zavatra mba angatahiny hatolotsika azy dia izay efa fantany rahateo fa tsara kokoa raha tsy ho eo amintsika. Amin’izany isika dia manaiky hanolotra zavatra bitika sy tsy manan-danja mba handray zavatra lehibe lavitra sy manan-danja indrindra. Izay zavatra mandalo heverina ho manan-danja atolotry ny tany dia tokony hampandeferina manoloana ilay ambony kokoa. - RH, 11 Aog. 1891. TF 335.2