Go to full page →

Fitahiana Mitondra Fanasitranana TF 383

Tena lehibe tokoa ny firaisana misy eo amin'ny saina sy ny vatana. Raha toa ka voakasika ny iray dia voatohina koa ny iray. Misy ifandraisany betsaka amin’ny fahasalaman’ny rafi-batana ny toetoetry ny saina. Rehefa mifaly sy miaina amin-kalalahana ny saina, ao anatin’ny faharesen-dahatra fa nanao ny marina sy fahatsapana fahafaham-po fa nitondra fifaliana ho an'ny hafa, dia hiteraka firavoravoana izay hisy fiantraikany amin'ny firafitry ny tena rehetra izany, ka hampikoriana tsara ny rà ary hamohafoha ny vatana manontolo. Ny fitahian'Andriamanitra dia mpanasitrana; ary ireo izay mifantoka amin'ny fitadiavana ny tombontsoan'ny hafa dia hahatsapa izany fitahiana miavaka izany ao am-pony sy eo amin'ny fiainany - TFC, b. 4, tt. 60,61. TF 383.1