Go to full page →

Voatahy Indroa Miantoana ny Asa Fanaovan-Tsoa TF 383

Notendren’ny fahendren’Andriamanitra, eo amin’ny drafi-pamonjena, ny lalàn’ny asa sy ny vokatry ny asa, mba hahatonga ny asa fanaovan-tsoa, amin’ny endriny rehetra, ho voatahy indroa miantoana. Azon'Andriamanitra natao mihitsy ny nanatanteraka ny tanjony teo amin'ny famonjena ny mpanota na dia tsy nisy ny fanampian'olombelona aza, saingy fantany fa tsy afaka ny hahita fifaliana mihitsy ny olombelona raha tsy mandray anjara amin'ity asam- panavotana lehibe ity. Nametraka ny drafitra handraisana antsika ho mpiara-miasa Aminy ny Mpanavotra antsika mba tsy ho verintsika ny vokatra feno fitahiana avy amin’ny fanaovan-tsoa. — RH, 23 Mar. 1897. TF 383.2