Go to full page →

Miroborobo ny Fiainana Eto an-Tany TF 384

Tsy ho lavorary sady tsy ho feno mihitsy ny tetikasa sy drafi-piainana izay tsy mahafaoka afa-tsy ireo taona fohy eto amin’ity fiainana ankehitriny ity, fa tsy mba mikatsaka ny hoavy tsy manam-pahataperana. Aoka ny tanora hampianarina hihevitra ny mandrakizainy. Aoka izy ireo hampianarina hifidy ireo fitsipi-piainana ambony sy hikatsaka fananana izay maharitra mandrakizay — hihary ilay “harena any an-danitra tsy mety ho lany izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba”, mba hoentiny mahazo sakaiza amin’ny alalan’ny “mamôna tsy marina”, ka rehefa lany izany, dia “mba horaisin'ireo ho any amin'ny fonenana mandrakizay” izy ireo — Lio. 12:33; 16:9. TF 384.2

Manao ny fanomanana tsara indrindra azo tanterahina ho amin’ny fiainana eto amin’ity izao tontolo izao ity izay rehetra manatanteraka izany. Tsy misy olona afaka hihary harena any an-danitra raha mbola tsy hitany niroborobo sy mendri-kaja ny fiainany eto an-tany. TF 384.3

“Ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa. ” - 1 Tim. 4:8. — Ed., t. 145. TF 385.1