Go to full page →

Ny Teny Fikasana Tsy Miova Nataon'Andriamanitra TF 385

Na oviana na oviana ny vahoakan’Andriamanitra, nandritra ny tantaran’ny tany, no nanatanteraka tamim-pifaliana sy an- tsitrapo ny rafitra napetrany momba ny fahalalahan-tanana mitohy eo amin’ny fanomezana sy fanatitra, dia tsapan’izy ireo hatrany ny teny fikasana tsy miova fa hanaraka ny asa rehetra ataon’izy ireo ny fanambinana, arakaraka ny fatran’ny fankatoavany ny fitakiana napetrak’Andriamanitra. Rehefa eken’izy ireo izay angatahin’Andriamanitra ka manaraka ireo fitakiany izy ireo, mankalaza Azy amin’ny fananany rehetra, dia ho feno mitafotafo ny trano fitahirizany vokatra. - 3T, t. 395. TF 385.3