Go to full page →

Tsy Midi-Kizo TF 98

Toky feno fahasoavana sy azo antoka ary safononoka manao ahoana re no omena antsika raha manao izay asain’Andriamanitra ataontsika fotsiny isika e! Raiso am- po io resaka io, tahaka ny hoe mino ianao fa hanao araka izay nampanantenainy mihitsy ny Tompo. Andao isika hatoky tanteraka ny Tenin’Andriamanitra. Maro no midi- kizo lalina noho ny hafanam-pony te ho lasa mpanan- karena; hamaivanina ireo zavatra maharitra mandrakizay, ary atao sorona ireo foto-kevitra mendrika; kanefa dia mety ho veriny ao anatin’ilay lalao avokoa ny zava-drehetra. Tsy miditra amin’ny kizo tahaka izany anefa isika rehefa manaiky ireo fanasan’ny lanitra. Tsy maintsy raisintsika amin’ny Teniny Andriamanitra, ary tsy maintsy mandeha araka ny teny fikasany amin’ny finoana tsotra isika, ka hanome ho an’ny Tompo ny anjarany. - RH, 18 Des. 1888. TF 98.1