Go to full page →

Antony Mahatonga Fahoriana TF 98

Maro amin’ireo izay milaza ny tenany ho Kristianina no mifantoka betsaka amin’ny tenany, ka manome fahafaham- po ny faniriana rehetra foronon’ny sainy, ary tsy mihaino akory ny zavatra ilain’ny as an’ny Tompo izy ireo. Noraisin’izy ireo ho toy ny fahazoana tombony ny fandrobana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fihazonana ny fanomezana rehetra nomeny, na ny ampahany izay maneho fitiavan-tena, ho an’ny tenany manokana. Fahavoazana anefa no ho hitan’izy ireo, fa tsy tombony. Fanesorana ny famindrampo sy ny fitahiana no vokatry ny ataony. Nanary zavatra maro ny olona noho ny toe-tsainy feno fitiavan-tena sy kahihitra. Raha nekeny tamin’ny fahafenoany sy tamin’ny nahim-pony ny fitakian’Andriamanitra ka notanterahiny, dia ho hita miharihary teo amin’ny fampitomboana ny vokatry ny tany ny fitahiany. Ho betsaka kokoa ny vokatra. Ho afa- po tsara amin’izay zavatra nilainy ny rehetra. Arakaraka ny anomezantsika no handraisantsika. - RH, 8 Des. 1896. TF 98.2