Tamin’ny Zoma maraina dia niresaka momba ny lohahevitry ny ampahafolony aho. Tsy nambara tamin’ny fiangonana araka ny tokony ho izy io lohahevitra io, ka io fanaovana tsirambina io, niampy ny fitotonganana ara-bola, dia nitarika fihenana niharihary teo amin’ny ampahafolony tamin’ny herintaona lasa. Nandritra io fivoriambe io dia nohalalinina tamim-pitandremana tao anatin’ny fivoriana maro io lohahevitra io (...). TF 105.2
Nisy anadahy iray, olona mendri-kaja raha ny fahitana azy, izay solontena avy any Tasmania, nanatona ahy ka nilaza hoe: “Faly aho fa nandre anao niresaka momba ny ampahafolony androany. Tsy fantatro mihitsy fa hay lohahevitra tena manan-danja izany. Tsy ho sahiko intsony ny hanao tsirambina izany.” Mandinika ny tontalin’ny ampahafolony nandritra izay roapolo taona lasa izay izy ankehitriny, ka milaza ny handoa izany haingana araka izay azony atao, satria tsy tiany ho voarakitra ao amin’ny bokin’ny lanitra izany hoe fandrobana an’Andriamanitra izany rehefa miatrika fitsarana izy. TF 105.3
Nisy rahavavy iray tao amin’ny fiangonana Melbourne nitondra ampahafolony tara mitentina iraika ambin’ny folo livatra [54 dôlara], izay tsy noheveriny fa tokony haloany. Rehefa azon’izy ireo ny fahazavana, dia maro no niaiky fa mpitrosa amin’Andriamanitra izy ireo, ka naneho ny fahatapahan-keviny ny hanefa io trosa io (...). Nanoso- kevitra aho ny hanaovan’izy ireo taratasy fanekena fa handoa ny tontalin’ny ampahafolony marina rehetra vantany vao mahazo ny vola anaovana izany izy ireo. Olona maro no nanaiky ka nanatokatoka ny lohany, koa matoky aho fa tsy ho foana tahaka ny amin’izao fotoana izao ny firaketantsika amin’ny taona manaraka. - MS 4, 1893. TF 106.1