Go to full page →

Mivaloarika noho ny Eritreritra fa Nihazona ny Ampahafolony TF 106

Olona maro, tena maro, no nahafoy ny toe- tsain’ny fandavan-tena sy ny fahafoizan-tena. Nalevin’izy ireo tao anatin’ny fananana mandalo izany. Misy olona izay notahin’Andriamanitra, ka tsapainy mba hahitany ny valiny hasetrin’izy ireo manoloana ireo tombontsoa nomeny. Nohazonin’izy ireo ny ampahafolony sy ny fanatiny, mandra-pahalasan’ny trosany amin’Andriamanitra Tompon’ny maro ho tena betsaka, hany ka mivaloarika izy ireo raha mieritreritra ny hamerina amin’i Jehôvah ny anjara ampahafolony marina. Faingàna re ranadahiko, manana tombontsoa ny ho mahatoky amin’Andriamanitra ianareo izao; aza mitaredretra intsony. — GC, DB, 28 Feb. 1893. TF 106.2