Go to full page →

Miatrika ny Taona Vaovao TF 106

Nanao ahoana ny fitantananao ny fanananao? Nandroba an’Andriamanitra tamin’ny ampahafolony sy ny fanatitra ve ianao nandritra ny taona lasa? Jereo ny famoloanao izay feno aoka izany, jereo ny sompitrao izay fenon’ireo zava-tsoa nomen’ny Tompo anao, dia anontanio ny tenanao raha toa ka naverinao tamin’ny Mpanome ny anjarany. Raha nandroba ny Tompo ianao, dia avereno izany. Raha mbola azao atao, dia alamino ny tamin’ny lasa, ary rehefa izay dia angataho ny Mpamonjy mba hamela ny helokao. Tsy hamerina amin’ny Tompo ny Azy ve ianao, mialoha ny hivalonan’ity taona ity any amin’ny mandrakizay, miaraka amin’ireo zavatra rehetra noraketiny? - RH, 23 Des. 1902. TF 106.3