Go to full page →

Tsy Hanefana ireo Fandanian’ny Fiangonana TF 113

Naseho tamiko fa fahadisoana ny mampiasa ny ampahafolony mba handoavana ireo fandaniana kelin’ny fiangonana. Niala tamin’ny fomba mety isika tamin’izany. Ho tsara lavitra kokoa ny mitafy akanjo mora vidy kokoa sy mampihena ny haitraitra ary mampihatra ny fandavan-tena, dia ho voaloa ireo fandaniana ireo. Hilamina ny sainareo amin’ny fanaovana izany. Mandroba an’Andriamanitra anefa ianareo isaky ny maninjitra ny tananareo ao amin’ny firaketan’Andriamanitra mba haka vola handoavana ireo fandaniana ho fampandehanana ny fiangonana. - STBCC, tt. 6, 7 [Aog. 1896]. TF 113.2