Go to full page →

“Mandrantoa Mandra-Pihaviko” TF 126

Napetrak’Andriamanitra hiandraikitra ny fananany isika mandritra ny tsy maha-eo Azy. Samy manana ny asa hataony manokana ny mpitantana tsirairay avy ho fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy misy afaka miala. Mandidy antsika rehetra ny Tompo manao hoe: “Mandrantoa mandra-pihaviko.” Tamin’ny fahendreny manokana no nanomezany antsika toromarika ny amin’ny fampiasana ny fanomezany. Ny talentan’ny fitenenana, fitadidiana, hery miasa mangina, ary fananana dia tokony hatambatra ho voninahitr’Andriamanitra sy ho fampandrosoana ny fanjakany. Hotahiny ny fampiasana araka ny tokony ho izy ireo fanomezany ireo. TF 126.2

Milaza ny tenantsika ho Kristianina isika, izay miandry ny fisehoan’ny Tompontsika fanindroany eny amin’ny rahon’ny lanitra. Koa inona àry izany no hataontsika amin’ny fotoanantsika, ny fahaizantsika, ny fananantsika, izay tsy antsika fa nankinina tamintsika mba hitsapana ny fahatokiantsika? Andao hoentintsika eo amin’i Jesôsy ireny. Andao hampiasaintsika ho fampandrosoana ny asany ny harentsika. Amin’izay isika dia mankatò ny baikony manao hoe: “Aza mihary harena ho anareo etý an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra. Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.” Mat. 6:19-21. - RH, Apr. 9, 1901. TF 126.3