Go to full page →

Samy Nomena ny Anjara Raharahany ny Olona Tsirairay TF 127

Ataon’ny maro fa omena ny antokon’olona voafidy ihany ny talenta, fa ny sasany kosa avahana, satria tsy voantso hanana anjara amin’ny asa, na amin’ny valisoa izy ireo. Nefa tsy izany no aseho ao amin’ny fanoharana. Rehefa nantsoin’ny tompon-trano ny mpanompony dia samy nomeny ny anjara raharahany avy izy. Voafaoka amin’ny adidy hampiasa ny fananan’ny Tompony ny fianakaviamben’Andriamanitra iray manontolo (...). TF 127.1

Samy napetraka hiandraikitra ny talenta nomen’ny Tompony azy ny rehetra, na amin’ny fatrany kely na amin’ny fatrany lehibe. Ny fahalalana ara-panahy sy ara-tsaina, ny tanjaka ara-batana, ny hery miasa mangina, ny toerana, ny fananana, ny fitiavana, ny fangorahana, dia samy talenta sarobidy tokony hampiasaina eo amin’ny asan’ny Tompo avokoa, ho famonjena ireo fanahy izay nahafatesan’i Kristy. -RH, 26 0kt. 1911. TF 127.2