Raha toa ka mitady ny fanampian’ny Fanahy Masina ka mandeha miasa ireo izay manana talenta harafesenina noho ny tsy fampihetsehana izany, dia tokony hahita asa vita betsaka kokoa isika. Hanetsika ny fo ireo antso maika ho fitadiavana fanampiana; ary dia ho izao no valinteny homena: “Hataonay izay rehetra azonay atao ao anatin’ny fahalemenay sy ny tsy fahaizanay, ka hifantoka amin’ilay Mpampianatra Lehibe mba hanananay fahendrena ny masonay.” Dia hisy lehilahy sy vehivavy ve hipetra-potsiny ka hanakombona ny tanany, na hampiasa ireo tanany ireo amin’ny asa feno fitiavan-tena, ho amin’ny tanjona eto an-tany, eo anivon’ny varavarana misokatra rehetra, izay ahafahana manao zavatra? TF 137.1
“Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao”, hoy i Jesôsy tamin’ny mpianany. Vitsy manao ahoana anefa no mahatsapa ny heriny sy ny hery miasa mangina ananany; vitsy manao ahoana no mahatsapa ny zavatra azony atao, mba hahatonga azy ho fanampiana sy ho fitahiana ho an’ny hafa! Fonosiny ao anatin’ny mosara ny talentany ka aleviny ao anatin'ny tany, ary dia mandoka tena izy fa manana fanetren-tena mendri- piderana. Ny bokin’ny lanitra anefa dia miampanga ireo mpidonana-poana ireo ho tahaka ny mpanompo malaina sady ratsy, izay manota mafy amin’Andriamanitra amin’ny fanaovana tsirambina ny asa nomeny hataon’izy ireo. Tsy afaka ny hiaro tena fa tsy mendrika izany asa izany izy ireo rehefa hosokafana ny firaketan’ny lanitra, izay haneho ny tsirambina hita mihanhary nataony. TF 137.2
Na inona na inona ny talenta nankininy tamintsika, dia asaina hampiasa izany ho fanompoana an’Andriamanitra isika, fa tsy ho fanompoana an’i Mamôna (...) TF 138.1
Ireo izay mandevina ny talentany ao anatin’ny tany dia manary ny tombontsoany hahazo satroboninahitra voaravaka kintana sy vatosoa. Mandra-pamoahana ny didim-pitsarana farany, dia tsy ho fantatra mihitsy ny isan’ny lehilahy sy vehivavy nanao izany, ary tsy ho fantatra koa ny isan’ny aina lasa any amin’ny fahamaizinana satria nalevina tao anatin’ny raharaha fanao andavanandro ny talenta nomen’Andriamanitra, fa tsy nampiasaina teo amin’ny fanompoana ny Mpanome azy ireny (...) TF 138.2
Ny olona (...) dia mety ho liana amin’ny tobim- pitrandrahana akoran-javatra izay ahazoana tombony betsaka, dia volafotsy sy volamena izany. Mety hanokana ny androm-piainany mba hahazoana harena eto an-tany izy ireo; saingy hindaosin’ny fahafatesana indray andro any, ka hamela izany rehetra izany ao aoriany. Tsy azony atao ny mitondra na dia farantsa iray miaraka aminy, mba hampanan-karena azy any amin’ilay ankoatra lehibe. Hendry ve ireo olona ireo? Tsy adala ve izy ireo, ka hamela ireo ora sarobidin’ny fotoam-pahasoavana handalo fotsiny, tsy hanaovana fiomanana ho amin’ny fiainana ho avy? Ny olona hendry dia hihary “harena any an-danitra tsy mety ho lany”, dia “fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.” Raha dantsika ny hamory harena maharitra, dia andao isika, dieny izao ankehitriny izao, hanomboka hamindra ny harentsika arỳ ankoatra ary, dia ho any amin’izay itoeran’ny harentsika no hisy ny fontsika. - RH, 7 Okt. 1884. TF 138.3