Tsy manery na iza na iza hitia Azy sy hankatò ny lalàny Andriamanitra. Naneho fitiavana tsy hay lazaina Izy tao anatin’ny drafi-panavotana. Natobany ny haren’ny fahendreny, ary nomeny ny fanomezan’ny lanitra sarobidy indrindra, mba hahavoasarika antsika hitia Azy sy hifandrindra amin’ny sitrapony. Raha lavintsika ny fitiavana tahaka izany, ary raha tsy avelantsika hifehy antsika Izy, dia miasa ho amin’ny fahapotehantsika ihany isika, ary dia hiharan’ny fahaverezana mandrakizay amin’ny farany. TF 140.1
Maniry ny hahazo fanompoana an-tsitrapo avy amin’ny fontsika Andriamanitra. Isika dia nomeny fahaizana mandanjalanja sy talenta maro ary hoenti-manana sy hery miasa mangina izay tokony hampiasaina ho amin’ny mahasoa ny olombelona, mba hahafahantsika maneho ny toe-panahiny eo anatrehan’izao tontolo izao. Misy tombony fanararaotra sy tombontsoa sarobidy omena antsika, ary raha ataontsika tsirambina ireo, dia mandroba ny hafa isika, sy mamitaka ny fanahintsika ihany, ary manala baraka ny Mpanao antsika. Tsy ho tiantsika ny hifanatrika amin’ireo tombony fanararaotra sy tombontsoa nataontsika tsirambina ireo amin’ny andro fitsarana. Ny tombontsoantsika mandrakizay amin’ny hoavy dia miankina amin’ny fanatantarehana amim-pahazotoana ny adidintsika ankehitriny, dia ny fampitomboana ny talenta izay nankinin’Andriamanitra ho amin’ny famonjem-panahy (...) TF 140.2
Tsy tokony hatao fialan-tsiny amin’ny fanodinkodinana ny fananan’ny Tompo ny toerana sy ny fahefan’ny olona iray, na dia ambony tahaka ny ahoana aza izany. Ny sitraka manokana omen’Andriamanitra dia tokony hanetsika antsika hanolotra fanompoana tsy misy tambiny sy feno fitiavana ho Azy; saingy maro amin’ireo notahina tahaka izany no manadino ny Mpanome, ka lasa sahisahy ratsy sy mikomy ary mirobaroba. Tsy manome voninahitra ilay Andriamanitry ny lanitra izy ireo, ary ny hery miasa mangina avy aminy dia mitondra ozona sy fahapotehana ho an’ireo mpiara-miasa aminy. Tsy mitady izay hampihenana ny fahorian’ny mila fanampiana izy ireo. Tsy mampiroborobo ny asan’Andriamanitra izy ireo. Tsy miezaka manarina ny hadisoan’ny tsy manan-tsiny izy ireo, na mandaha-teny ho an’ny mpitondratena sy ny kamboty, na maneho toetra ambony eo anatrehan’ny ambony sy ny ambany, ka haneho toe-tsaina feno fahalalahan-tanana sy fahamendrehana. Ny mifanohitra amin’izany no ataony, ka ampahoriany ny mpikarama; hazoniny amim-pitaka ny karama tena izy ho tambin’ny asa, fitahiny ny tsy manan-tsiny, robainy ny mpitondratena, ary mamory harena mihosina ny ran’ireo fanahy izy. Tsy maintsy hampamoahina eo amin’ny fefim- pitsaran’Andriamanitra izy ireo. Tsy manao ny sitrapon’ny Ray izay any an-danitra io sarangan’olona io, ary dia handre ny baiko hentitra manao hoe: “mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” - RH, 14 Feb. 1888. TF 140.3