Fanambarana manao ahoana re no hatao amin’ny andro fitsarana e! Maro amin’ireo izay nanao ny tenany ho Kristianina no ho hita fa tsy mpanompon’Andriamanitra, fa mpanompon’ny tenany ihany. Ny izaho no ivon’ny fiainan’izy ireo; ny fanompoana ny tenany no asa natao nandritra ny androm-piainany. Nampahalemy sy nampahosa ireo fahafaha-manao sy ireo hery nankinin’Andriamanitra taminy izy ireo noho ny fanomezana fahafaham-po ny tenany sy ny fitadiavana izay hahazoana ho an’ny tenany ny zavatra rehetra azony alaina teo amin’ny fiainany. Tsy nahatoky tamin’Andriamanitra izy ireo. Tahaka ny rafitra fandrobana lavabe ny fiainan’izy ireo. Dia mitaraina amin’Andriamanitra sy amin’ny mpiara-belona aminy ireo olona ireo ankehitriny, satria tsy raisina sy omena sitraka araka izay heveriny fa tokony hatao aminy izy ireo. Haseho anefa ny tsy fahatokiany amin’ilay andro izay hitsaran’ny Tompo ny asan’ny olona rehetra. Hiverina Izy, ka hametraka “ny tsi-fitovian'ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.” TF 141.1
Amin’izay andro izay, izay mihevitra fa hanaiky fanatitra mampahonena sy fanompoana tsy an-tsitrapo Andriamanitra, dia ho diso fanantenana. Tsy hametraka ny fankatoavany eo amin’ny asan’ny olona, na ambony na ambany, na manan-karena na mahantra, izay tsy natao tamin’ny fo sy tamim-pahatokiana ary tamin’ny maso mifantoka amin’ny voninahiny mihitsy Andriamanitra. Ireo izay anisan’ny ankohonan’Andriamanitra teto an-tany kosa anefa, dia ireo izay niezaka nanome voninahitra ny anarany, dia nahazo fanandramana izay hahatonga azy ireo ho mpanjaka sy mpisorona ho an’Andriamanitra. Ary hoekena ho mpanompo mahatoky izy ireo. Holazaina amin’izy ireo ny teny hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; (...) midira amin'ny fifalian'ny tomponao.” - RH, 5 Jan. 1897. TF 142.1