Go to full page →

Teny Fikasana ho an’ny Mpitantana Mahatoky TF 143

Midika zavatra betsaka izany hoe mamafy eny amoron'ny rano rehetra izany. Midika ho fanolorana fanomezana sy fanatitra tsy an-kiato izany. Hanome izay rehetra ilaina Andriamanitra mba hananan’ny mpanompo mahatoky nanankinany ny fananany ny onony amin’ny zavatra rehetra, sy hahafahany mitombo amin'ny asa tsara rehetra. Araka ny voasoratra hoe: “Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; ny fahamarinany maharitra mandrakizay. ” — 2 Kôr. 9:9. “Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo. ” — 2 Kôr. 9:10. Hataon’ny Tompo mamokatra ny voa afafy amin’ny tanana feno fahalalahana. Izay manome voa ho an'ny mpamafy dia hanome izay ilain’ny mpiasany mba hahatonga azy ho mpiara-miasa amin’ilay Mpanome ny voa. - 9T, t. 132. TF 143.3