Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Teny Fikasana ho an’ny Mpitantana Mahatoky

    Midika zavatra betsaka izany hoe mamafy eny amoron'ny rano rehetra izany. Midika ho fanolorana fanomezana sy fanatitra tsy an-kiato izany. Hanome izay rehetra ilaina Andriamanitra mba hananan’ny mpanompo mahatoky nanankinany ny fananany ny onony amin’ny zavatra rehetra, sy hahafahany mitombo amin'ny asa tsara rehetra. Araka ny voasoratra hoe: “Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; ny fahamarinany maharitra mandrakizay. ” — 2 Kôr. 9:9. “Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo. ” — 2 Kôr. 9:10. Hataon’ny Tompo mamokatra ny voa afafy amin’ny tanana feno fahalalahana. Izay manome voa ho an'ny mpamafy dia hanome izay ilain’ny mpiasany mba hahatonga azy ho mpiara-miasa amin’ilay Mpanome ny voa. - 9T, t. 132.TF 143.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents