Go to full page →

Fahaizana sy Fahadiovana eo amin’ny Fifanakalozana Rehetra TF 157

Ny fahamasinana teo anatrehan’ Andriamanitra no toetoetra lehibe indrindra tamin’ny fiainan’ny Mpanavotra teto an-tany, ary faniriany raha io koa no mamaritra ny fiainan’ireo mpanara-dia Azy. Ireo mpanompony dia tokony hiasa amim-pahatokiana tsy misy fitiavan-tena, sy amim- piheverana fa ilaina ary manana hery miasa mangina ny mpiasa tsirairay. Tokony hanamarika ny asany rehetra sy ny fifanakalozany ara-barotra rehetra ataony ny fahaizana sy ny fahadiovana. I Kristy no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy tokony hisy rirany maizina izay anaovana asa tsy mahitsy eo amin’ny asany. Ny tsy fahamarinana no zavatra tsy ankasitrahan’Andriamanitra indrindra. - RH, 24 Jona 1902. TF 157.1