Go to full page →

Fanaovana Sorona ny Foto-Kevitra TF 159

Matetika isika no mahita olona manana andraikitra ambony, amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy azy, izay mandenrika ny finoana. Iharan’ny fakam-panahy izy ireny ka ataony sorona ireo foto-kevitra sy ireo tombontsoany ara-pivavahana mba hahazoana harena eto an-tany izay tsirintina fatratra. Noraisiny ny jonon’i Satana. Nandresy i Kristy, ka nanao izay hahafahan’ny olona mandresy koa; saingy mametraka ny tenany eo ambanin’ny fitarihan’ilay andriamanitr’izao tontolo izao ny olona, ary miala eo ambanin’ny fanevan’i Jesôsy Kristy, dia miditra ao amin’ny laharan’ny fahavalo. Atokany mba hahazoana tombontsoa avokoa ny heriny rehetra, ary miankohoka eo amin’andriamani-kafa eo anatrehan’i Jehôvah izy. TF 159.2

Ny olon’izao tontolo izao dia tsy afa-po amin’ny zavatra sahaza isan’andro, ary tsy afa-po na amin’ny fananam-be koa aza. Mikendry mandrakariva ny hanana tahiry betsaka kokoa hatrany izy, ka atodiny amin’io zotra io ny eritreriny sy ny heriny rehetra. - RH, 1 Mar. 1887. TF 159.3